ActualitésTatitra

Venezuela : Simón Bolívar, mahery fo nanafaka firenena maro

I Simón José Antonio de la Santísima Trinidad Bolívar y Palacios, antsoine hoe Simón Bolívar dia teraka ny 24 jolay 1783 tao Caracas ao Venezuela ary maty ny 17 desambra 1830 tao Santa Marta ao Colombie.

Jeneraly sy olom-panjakana tao Venezuela i Simón Bolívar izay omena ny anaram-bositra hoe « El Libertador ». Olo-malaza amin’ny firenena maro niaraka tamin’ilay mpiray tanindrazana taminy Antonio Jose de Sucre, José de San Martín avy ao Argentin, Bernardo O’Higgins avy ao Chilie izy noho ny fanafahana ireo zanatan’i Espagne nanomboka ny taona 1813.

Anisan’ireo afaka tamin’izany i Bolivie, Colombie, Équateur, Panama, Pérou ary Venezuela.

Laisser un commentaire