SocialTsidika

Talata Volonondry : Nahazo efitrano vaovao ny EPP Falimanjaka

Efitrano fianarana miisa telo no aorina ao amin’ny EPP Falimanjaka Talata Volonondry.  Efa natomboka ny asa fanorenana, izay eo ambany fiahian’ny kaominina hatrany.

« Hitsinjovana hatrany ireo mpianatra madinika no hanarenana indray ity sekoly ity. Efa hita tokoa mantsy ny fahalovan’ny sekoly teo aloha, izay tena mila fanavaozana lehibe » hoy ny ben’ny tanàna ao Talata Volonondry, Randrianirina Hobiherisaona. « Manentana antsika hatrany mba hifanohana amin’ny asa fampandrosoana eto amin’ny kaominina. Manantena ny fiaraha-miasa amin’ireo zanaka am-pielezana ihany koa » hoy hatrany izy.

Ny firaisankina no hery, hita taratra eto Talata Volonondry tokoa izany soatoavina izany. Hirariana hitohy hatrany ny fiaraha-mientan’ny mponina amin’ny asa fampandrosoana ny tanàna.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire