SocialTsidika

Zava-dehibe ny fiarovana ireo haren’i Madagasikara.

Manana ny harena mampiavaka azy i Madagasikara. Tokony ho sarotiny amin’ny fiarovana izany ny tsirairay satria antoka iray mampandroso ny firenena izany. Toe-tsaina mampandroso ny firenena any ivelany ny fahasarotampiaron’izy ireo amin’ny fananany. Tsy vitsy ireo tranga hita eto Madagasikara mahakasika ny fanondranana ny harem-pirenena. Tena miavaka sy manana lanjany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena tokoa anefa isika raha izay harena voajanahary izay no jerena. Anisan’izany ny Baobab, zava-maniry tsy hita raha tsy eto Madagasikara irery ihany, ary ahitana karazany maro. Raha ny antontan’isa, 8 ny karazana Baobab hita manerana izao tontolo izao. Ny 6 amin’ireo kosa no mitoetra eto Madagasikara. Hita any amin’ny faritry menabe ny 3 amin’izy ireo. Raha tsy misy anefa ny fandraisana andraikitra, mety ho lany tamingana izy ireo. Betsaka ny olona maka ny voany sy ny hodiny ka manondrana izany any ivelany. Mety ho lasa tantara sisa ny fisian’izany teto Madagasikara raha toa ka tsy mitandrina ny Malagasy tsirairay. Manoloana izany indrindranonandraisan’ny sampandraharaha amerikanina ho an’ny fampandrosoana, USAID, andraikitra momba ny fiarovana io karazana zava-maniry mampiavaka an’i Madagasikara io. Misy araka izany ny fandaharanasa manokana ho fanaraha-maso azy ireto. Omena sehatra manokana ny mpikaroka Malagasy amin’ny fanatanterahana ny fikarohana amin’ny vokatsoa azo avy amin’ny Baobab. Hamatsy vola mitentina 130 000 dolara (manodidina ny 520 tapitrisa ariary) ny USAID amin’izany. Marihina fa miankina amin’ny hazo baobab ny fiveloman’ny zava-manana aina maro, raha araka ny fikarohana.

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire