SocialTsidika

Aiza no hanaovan’ny vondron’ny mpanohitra hetsika ?

Hetsika maro izay no nokasain’ireo antoko mpanohitra ho atao eto Antananarivo kanefa mbola tsy nisy tanteraka izany noho ny sakana nisy. Mimenomenona izy ireo araka izany satria tsy avela maneho ankahalalahana ny heviny amin’ny maha firenena demôkratika an’i Madagasikara. Tsy hay na fatahorana ny hetsika ho ataon’izy ireo na fatahorana ny mety hisian’ny korontana eto amin’ny tany sy ny firenena no anton’izany. Ny sabotsy ho avy izao, hikarakara hetsika eny Soamandrakizay ireo solombavambahoaka voafidy tamin’ny alalan’ny antoko TIM raha ny vinavina. Tsikaritra anefa fa nisy nanapaka ny lalana eny an-toerana izay tsy fantatra ny tena antony. Iza no tompon’antoka amin’izany ? Tokony omena sehatra amin’ny fanehoan-kevitra ny olom-pirenena tsirairay mba hahitana ny fampandrosoana mety amin’i Madagasikara satria ny hevitry ny maro no mahataka-davitra. Etsy an-kilany ihany koa, nilaza ny avy ao amin’ny prefektiora fa tsy hanolotra toerana ho an’ny mpanohitra intsony fa aleo izy ireo ihany no hitady azy. Notsipihany kosa anefa fa mila manao taratasy fahazahoan-dalana hanao hetsika 48 ora mialoha ary arakaraka ny toerana no mety hanekena na tsia. I Soamandrakizay no toerana narosony manko teo aloha ka noho ny tapa-kevitra ny ho eny tokoa ny mpanohitra dia izao anefa no sakana misy. Nisy nanapaka ny lalana ary nilaza aza ny fanjakana fa tamin’io daty saika hanaovana hetsika teny Ambohijatovo io ihany no nanan-kery ny fanomezana ny Soamandrakizay. Tsy nanaiky ihany koa ny fiangonana katolika noho izy tany masina satria nandraisana ny papa Fransoa izay namafazana fiadanana sy fanantenana. Mivadibadika ny tantara, tsy hay izay marina sy diso fa anjaran’ny tsirairay no mitsara azy. Tsy mahalala hafa tsy any Soamandrakizay no hanatanterahana ny hetsika amin’ny Sabotsy 6 martsa ho avy izao ireo mpanohitra. Inona no mety hitranga fa samy manana ny lohany izy rehetra ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire