ActualitésSocialTsidika

Alasora : Fokontany 14 no voatsidika nandritra ny hetsika Ben’ny tanàna mitety vohitra

Nitohy ny faran’ny herinandro teo ny hetsika Ben’ny tanàna mitety vohitra, izay nataon’ireo tomponandraikitra avy ao amin’ny fiadidian’ny kaominina Alasora, notarihin’ny ben’ny tanàna ao an-toerana. Nandritra izany no nanohizana ny fizarana ny solombodiakoho ho an’ireo zokiolona tsy afaka naka ny anjarany tamin’ny fizarana, nandritra ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovan-tena tao an-toerana.

“Fokontany 14 no voatsidika hatreto, hatramin’ny nanombohan’ny hetsika ity ka anjaran’ny fokontany Ampahibato, Ambohitanety, ary Ambohimarina no nahazo ny anjarany ho an’ity andro ity. Ny ankamaroan’ireo zokiolona voatsidika dia tratry ny tsy fahasalamana sy ny fahaterana avokoa” hoy ny avy amin’ny kaominina Alasora.

“Fihetsika mahate hidera no nasehon’ny kaominina amin’izao fitsidihana isam-baravarana ny zokiolona izao. Hisaorana azy ireo satria nahazo anjarany avokoa manomboka tany amin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra” hoy i Roger, mponina ao Alasora.

Taratry ny fandrosoana ny fandraisana andraikitra. Mila ezaka sy fanetre-tena ihany koa izany. Ny avy ao amin’ny kaominina Alasora tokoa izay tsy manao ambanin-javatra ireo sokajy sy sehatra rehetra misy ao an-toerana.

Manitra R.

Laisser un commentaire