Maurice : I D Black Wizard no hisolo-tena ny nosy amin’ny fiadiana ny amboaran’ny Slam poezy aty Afrique
Efa telo taona izao no naha hetsika ara-kolontsaina miavaka ny fiadiana ny amboaran’ny Slam poezy aty Afrique. Amin’ity taona ity dia hotontosaina ny volana novambra ao Bamako ao Mali ny fifaninana ary solo-tena avy amin’ny firenena 31 aty Afrique no handray anjara amin’izany
Isan’ireo manana solo-tena amin’io fifaninana io i Madagasikara, Comores ary Maurice. Ho an’ny nosy Maurice dia i D Black Wizard no hiaro ny voninahim-pirenena amin’izany. Mpandresy tamin’ny fifaninanana slam maromaro izy ary nisongadina noho ny lahatsorany miresaka lohahevitra mahakasika toy ny tontolo iainana sy ny zon’olombelona.
2 taona monja kosa no nilomanosany teo amin’ny tontolon’ny slam saingy efa nahay nandresy lahatra ny mpitsara sy ny mpihaina sahady izy ka voafantina tamin’ireo mpifaninana hiatrika ny fiadiana ny amboaran’ny Slam poezy aty Afrique.
