Startup Weekend Antananarivo : Misahana ny fampandrosoana maharitra indray ny lohahevitra
Hanomboka ny 28 ka hatramin’ny 30 jolay izao ny Startup Weekend andiany manaraka, izay karakarain’ny Techstars. Ny Habaka ao Tsimbazaza ho hampiantrano ny hetsika ny 28 sy 29 jolay, ary ao amin’ny NextA ao Andranomena kosa no hamaranana izany ny 30 jolay.
Manodidina ny « Sustainability » indray ny lohahevitra amin’ity andiany manaraka ity raha ny fanazavan’ny avy ao amin’ny SWAT. Mivelatra amin’ny sehatra maro toy ny angovo azo havaozina ; fitanterana na fambolena na fidiovana maharitra ; fampiasam-bola maharitra misy fiantraikany ; fiovan’ny toetr’andro sns izany. Afaka mandray anjara sy manolotra ny tetik’asany avokoa ireo maniry ny hisehatra eo amin’izany tontolo izany.
« Manana 54 ora ireo mpandray anjara mandritra ny hetsika hamolavolany ny tetik’asany am-bondrona » raha ny voalazan’ny mpikarakara. Mpandraharaha sy manam-pahaizana momba ny teknolojia, mpampiasa vola ary mpisehatra eo amin’ny asa maharitra maro no hizara sy hanoro ary handroso vahaolana ho an’ny hoavy maharitra kokoa mandritra izany raha ny fanamafisana.
« Hetsika ahitana tombony maro ny Startup Weekend » hoy ny mpandray anjara teo aloha. « Mampivondrona mpandraharaha maro sy manam-pahaizana izany ka ahazoana fifandraisana sy fanitsiana ary fampianarana » hoy izy.
Marihina fa maimaimpoana ny fandraisana anjara amin’ny hetsika.
