ActualitésTatitra

Etats-Unis : Lasan’i Elon Musk ny Twitter

Tontosa ihany ny fanirian’i Elon Musk dia ny ho tompon’ny Twitter feno. Azony tamin’ny vidiny 44 000 tapitrisa dollars izany raha ny fanambarana nanaton’i Twitter ny alatsinainy teo.« Ny fahalalaham-pitenenana no fototry ny demokrasia mahaomby ary ny Twitter no toerana nomerika hioadiana hevitra ireo lohahevitra tena ilaina ho an’ny hoavin’ny zanak’olombelona » hoy i Elon Musk tamin’ny fanamabarana nataony.Raha tsiahivina dia ny alahady teo no natao ny fifarahan’io mpanefoefo io sy ny filan-kevi-pitananan’ny Twitter. Marihina fa lehilahy mpanan-karena indrindra eran-tany i Elon Musk, tombananan’ny Forbes manana harena mitentina 269 lavitrisa dollars izy, izay tetibola mitovy amin’ny harin-karena faoben’i Burundi (firenena mahantra indrindra eran-tany).

Laisser un commentaire