Misy ny tetik’asa ho an’ny trano fonenana
Manodidina ny 120 000 ariary isam-bolana no vola arotsaka mandritra ny dimy taona mba hisitrahan’ny olona manana fahefana antonony ny Trano fonenana sosialy. Misy koa ny trano fonenana azo hitarina na « logement extensible » izay mirefy 32m2 ka manodidina ny 15 ka hatramin’ny 22 tapitrisa ariary ny vidiny. Ary farany dia misy ny « logement de subvention » izay natokana ho an’ny olona tena sahirana. »Trano fonenana sosialy 760 isa no heverina ho vita amin’ity faran’ny taona ity ka ireo tokantrano voakasiky ny tetikasa Tanà-masoandro no anisan’ny laharam-pahamehana hisitraka izany voalohany » hoy ny Sekreteram-panjakana misahana ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana, Andriamanohisoa Gérard. »Afaka dimy taona izany vao hisitraka toeram-ponenana sa kobaka am-bava fotsiny ihany ? » hoy i Fidy, raim-pianakaviana sahirana amin’ny toeram-ponenana. « Mbola mitohy afaka dimy taona izao ny tetik’asa izany no midika fa mbola ho eo foana izany izy ireo mandritra izany satria mbola mitohy ny tetik’asa ka raha miova ny mpitondra ka tsy manaiky ny hanasiana izany dia ahoana ? » hoy i Hasina, tanora mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo. Azo lazaina ho maro tokoa ny olona misedra olana manodidina ity toeram-ponenana ity kanefa tena hahavaha ny olana tokoa izao tetik’asa izao ?
Nicole Rafalimananjara
