Etats-Unis : Tao an-toerana no niforonan’ny dihy Madison
Iza tamintsika no tsy mbola nandihy Madison ? Dihy ataon’olona maromaro milahatra ny Madison. Tao Etats-Unis no nipoiran’izy io tany amin’ny taona 1950 saingy tany amin’ny fiadohan’ny taona 1960 izany vao tena nalaza. Maro ireo tanana samy milaza fa nipoiran’io dihy io ao Etats-Unis, anisan’izany i Columbus (Ohio), Philadelphie, Chicago, Detroit, Baltimore ary Cleveland.
Ny hiran’i Al Brown mitondra ny lohateny hoe « The Madison » sy ny hiran’i Ray Bryant « Madison Time » no anisany tena nampalaza io dihy io. Tamin’ny taona 1962 kosa vao nanomboka nandihy ny Madison ny mponina tao France. Ny horonantsary « West Side Story » novokarin’i Robert Wise tamin’ny taona 1961 no anisany nampalaza io dihy io tao an-toerana. Ahitana dihy Madison somary lava mantsy ao amin’ny ampahan’io horonantsary io.
