ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Namoaka ny andiany voalohany tamin’ireo mpianatra zaitra ny kaominina

Taorian’ny fanomezana fiofanana na fampianarana momba ny informatika tao amin’ny kaominina Ambohimanambola, ankehitriny, namoaka ireo mpianatra zaitra, vehivavy, andiany voaohany izy ireo izay natao tao amin’ny biraon’ny kaominina ihany ny faran’ny volana aogositra lasa teo.

« Manome karazana fiofanana ho an’ireo tanora sy ankizy eto anivon’ny kaominina hatrany ny tomponandraikitra mpikarakara ny tanora ahafahana manome sehatra azy ireo, ahafahany ihany koa mivelatra sy mamorona asa ho an’ny tenany; indrindra amin’ny maha tanora na eny fa na ireo ray sy renim-pianakaviana aza mbola misy ireo tonga manatrika fiofanana » hoy ny mpikarakara ny fiofanana teo amin’ny kominina. « Tena ilaina be ilay fiofanana zaitra ohatran’izao satria ahafahana mianatra zava-baovao. Tsy mila mitady na mandeha mankany an-drenivohitra intsony fa teto ihany dia nahavita no sady mirary ny saran’ny fiofanana no mahay ianao » hoy ny mpianatra.

Ankoatra ny zaitra, misy ihany koa ny fampianara ny teny vahiny ao amin’ny kaominina. Hisy ny fivoriana voalohany ho an’ireo nisoratra anarana ho amin’ny andiany faharoa amin’ity fiofanana zaitra ity, izay atao ao amin’ny « salle du mariage » an’ny kaominina ny zoma 09 septambra

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire