ActualitésTatitra

Cameroun : Jean Miché Kankan mpanao hatsiakana miavaka

Teraka ny taona 1956 tao Nkom tao Cameroun i Dieudonné Afana Ebogo antsoina Jean Miché Kankan ary maty ny 13 febroary 1997 tao Yaoundé. Mpanoratra, mpilalao teatra sy sarimihetsika fa indrindra mpanao hatsiaka ny tenany.

Mpampianatra teny frantsay tamin’ny sekoly ambaratonga faharoa i Jean Miché Kankan talohan’ny niasany tamin’ny onjam-peo iray tao Cameroun. Nanomboka teo izy no nisehatra teo amin’ny fanaovana hatsikana. Nanomboka niakatra an-tsehatra izy ary nanomboka tamin’ny seho nidirana tamin’ny vidiny 10 francs CFA.

Niparitaka teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny lazany taorian’izany ary tsy afaka amban’ny olona ny hatsiakany izay tsy manam-paharoa. Nanana ny fombany manokana eo amin’ny taranja mantsy i Jean Miché Kankan. Anisany tena nampiavaka sy nampalaza azy izany. Sangan’asany tena nalaza kosa ny « Le Permis de conduire », « La Carte d’identité », « La Fille du bar »,  « Maladie d’Amour », « Le cocu »…

Laisser un commentaire