ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy: Manao antso avo momba ny famerenana ny rano sy ny jiro ny mponina

Efa andro maromaro izao no nahitana fahatapahana ny rano tao amin’ny fokontany maromaro ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Ankoatra izay manampy trotraka ihany koa ny fahatapahan-jiro, indrindra ao amin’ny fokontany Ambohitrarahaba, ka mampitaraina ireo mponina.

“Efa andro maro na atao hoe amam-bolana teo no tsy nisy rano tety amin’ny fokontaninay tety. Tapaka tsy mandeha ny rano. Efa nanao fitarainana izahay mponina, nangataka ny hijerena ny zava-misy sy hitondrana vahaolana fa tsy mbola nisy ny fandraisana andraikitra” hoy i Toky, renim-pianakaviana.

“Tena mbola hendry sy milefitra raha ny mponina ety aminay fa raha ny zava-misy dia tena mampiteny ny moan any tsy fisian’ny rano. Ankoatra ny rano dia mamely ihany koa delestage. Tsy hita hoe amin’iza no hitaraina satria efa maro ny fitarainana sy antso nalefa manoloana izany fa dia miandry ny rariny” hoy i Haja, tompona toeram-pisakafoanana.

Araka izany, mangataka ny hijerena ny zava-misy ny mponina ao amin’ny fokontany Ambohitrarahaba ary mangataka ny hametrahana vahaolana maharitra amin’izany. Tsy ho an’ny ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy ihany izany fa ho an’ny faritra maro eto an-drenivohitra ihany koa.

Laisser un commentaire