ActualitésTsidika

Miisa 214 ireo mpampianatra tsy miankina amin’ny fanjakana no nahazo fifanarahana arak’asa tany Toliara I sy Toliara II

Nanome fifanarahana arak’asa ireo mpampianatra tsy miankina na ENF ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena. Mitohy hatrany atsimon’i Madagasikara ny fandraisana mpiasa ho ireo mpampianatra tsy miankina amin’ny fanjakana ka 214 tamin’izy ireo no nahazo izany fifanarahana izany. Natao hanatevin-daharana ireo nahazo diplaoma avy amin’ny Ecole Normale Supérieure (ENS) sy ny Centres Régionaux de l’Institut National de Formation Pédagogique (CRINFP) izy ireo.

Raha natao ny tamberina, miisa 284 ireo sekoly manarapenitra natsangana teto Madagasikara nanomboka ny taona 2019 ary 450 ankoatran’ireo no mbola eo andalam-panamboarana ankehitriny. Azo lazaina ho tsy ampy ary tsy maha-henika an’ireo sekoly ireo ireo mpampianatra miankina amin’ny fanjakana ka anton’izany indrindra ny nanaovana fifanarahana tamin’ireto mpampianatra tsy miankina ireto. Kanefa tokony ho 3 000 eo ireo olona hivoaka ho matihanina tao amin’ny CRINFP raha ny tetibola napetraka tamin’ity taona 2021 ity.

« Mitsinjo ny ho avin’ny fanabeazana ny ministera noho izao fanapahan-kevitra noraisiny izao » hoy i Mirana, renim-pianakaviana. « Tokony tazomina ho an’ireo mpampianatra miankina amin’ny fanjakana ihany ny toerany noho ny ezaka betsaka efa nataony mba ho tonga amin’izany  » hoy kosa i Bernard, mpampianatra.

« Miisa 7 500 anefa ny mpampianatra horaisina amin’ity taona 2021 ity, ka 3 400 amin’ireo no manana ny diplaoma avy amin’ny ENS sy CRINFP » hoy ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena. Mpampianatra 36 no avy amin’ny Cisco distrikan’ny sekoly Toliara I ; raha ny 178 hafa kosa miasa ao amin’ny Cisco an’ny Toliara II hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena.

Mba tsy hidinan’ny taham-pahaizana eto amintsika dia noraisina izao fanapahan-kevitra izao. Eo ihany koa ny fitsinjovana ny ho avin’ny mpianatra tsirairay mba hirindrany sy hilaminany raha ny tokony ho izy. Manoloana izany, azo ambara fa voafetra ihany izao fifanarahana izao fa tsy maharitra ka mety hampisy fiantraikany eo amin’ny mpianatra. Raha izay ary dia haharitra hafiriana vao tena feno tanteraka ny isan’ireo mpampiantra miankina amin’ny fanjakana ka tsy hanaovana ny fifanarahana toy izao intsony ?

Miangaly Rasoamihajamanana

Laisser un commentaire