Fampianarana ambony : Hiverina ny fampianarana ao amin’ny Oniversiten’i Fianarantsoa
Nanapa-kevitra ny mbola tsy hanohy ny fampianarana ny 26 janoary ny Oniversiten’i Fianarantsoa Andrainjato. Hnaomboka ny 31 janoary ho avy izao ny fampianarana any an-toerana.
« Mbola tsy miverina amin’ny laoniny tsara ny toetr’andro. Tsy maintsy nandray fepetra izahay, indrindra ny teto amin’ny faritra Matsiatra Ambony » hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny Oniversiten’i Fianarantsoa. « Efa nomena alalana hisokatra ny 24 sy 25 janoary teo ny Oniversite rehetra manerana ny nosy. Manana ny safidiny kosa anefa ny Oniversite tsirairay hamerina ny fampianarana manaraka ny toetr’andro isam-paritra » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa.
« Mila miomana tsara amin’ny fianarana isika. Mila antsika tafita sy mahay ny firenena. Tsy tokony ho atao ambanin-javatra ny fampianarana » hoy i Joanna, mpianatra ao amin’ny Oniversite Fianarantsoa. Samy manana ny safidiny noho izany ny Oniversite tsirairay avy. Sarobidy ny aina ary sarobidy ihany koa ny hoavy.
Nicole Rafalimananjara
