ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Nisy ny fanamboaran-dalana taorian’ny fihotsahana vokatry ny orana

Vokatry ny orambe nisesy, herinandro lasa izay dia nisy ny fihotsahan-dalana teny amin’ny lalana mihazo an’ny fokontany Betsizaraina, kaominina Ambohimangakely, tamin’ny faran’ny herinandro teo. Nisy avy hatrany ny fandraisana andraikitra tamin’ny fanamboarana izany, tao an-toerana, araka ny voalaza.

« Anisan’ny niteraka fanelingelenana sy fahatapahan’ny fifamoivizana teny an-toerana, ho an’ireo mpampiasa lalana indrindra indrindra ny asa fanamboaran-dalana natao. Tsy maintsy natao anefa izany mba ho tombotsoan’ny rehetra amin’ny fahavitan’ny lalana hifamezivezena » hoy ireo tompon’andraikitra ao amin’ny kaominina.

« Maro ireo lalana simba sy mihotsaka amin’izao fotoana izao vokatry ny fahabetsahan’ny orana ka tokony samy mailo avokoa ny rehatra eny an-dalana eny mba hisorohana ny loza isan-karazany » hoy i Yves, mponina ao Ambohimangakely.

Ao anatin’ny fotoam-pahavaratra tanteraka ny eto amintsika amin’izao fotoana izao. Fotoana maha be ny fahasimbana sy ny loza isan-karazany ka tokony samy ho mailo ary handray fepetra avokoa ny rehetra ao anatin’izany, araka izay tandrify azy.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire