ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Nirotsaka an-tsehatra teny amin’ireo mponina ny tomponandraikitry ny kaominina

Tonga teny amin’ireo mponina eny ifotony ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina Ambohimangakely, ny alarobia teo. Nandritra izany no nijerena ireo asa fampandrosoana sy foto-drafitr’asa ilain’ny mponina, araka ny voalaza.

« Tety amin’ny fokontany Soamanandrariny no notsidihin’ny kaominina. Voatsidika avokoa ny vakim-paritra efatra teto an-toerana. Nandritra izany no nijerena ireo foto-drafitr’asa toa ny lalana, ny lakan-drano sy ny lalan-kely. Misy ireo asa mbola eo ampanaovana azy ary mitohy hatrany izany, misy kosa ireo efa vita sy fanohizana ireo mbola hatao » hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

« Efa ela no niandrasana izao asa fanamboarana lalan-kely izao. Tena efa simba ary manano sarotra ny mponina ny fampiasana ireo lalan-kely. Hangatahana sy hirariana mba ho vita ara-potoana izany » hoy i Domoina, mponina ao Ambohimangakely.

Tafiditra ao anatin’ny asa fampandrosoana ny asa fanamboaran-dalana,indrindra ireo lalan-kely fampiasan’ny vahoaka eny ifotony. Ankoatra ny lalana, mampitaraina ny mponina ihany koa ny mahakasika ny fako ao an-toerana.

Laisser un commentaire