PolitiqueTatitra

Russie : Nirehitra ny toeram-panodinana soli-tany tao Tuapse

Nirehitra ny alin’ny alarobia, hifoha alakamisy teo ny toera-panodinana soli-tany an’i Rosneft, tao Tuapse,any amin’ny faritra atsimon’i Russie. Tsy fantatra mazava ny antony nitrangan’ny loza, satria efa voavono ny afo tamin’ny fotoana nahatongavan’ireo tomponandraikitra tao an-toerana. Manodidina ny tamin’ny 5ora maraina (ora tany an-toerana) dia efa voafehy ny afo, araka ny voalaza hatrany. Tsy fantatra ihany koa ny isan’ireo naratra na namoy ny ainy nandritra izany loza izany. Loharanom-baovao avy amin’ny miaramila okranianina, no nilaza fa vokatry ny fitifirana nataon’ny rafitra misahana ny fandriampahalemana okrainina tao amin’ny sampana fikirakirana soli-tany no nahatonga ny loza.

Laisser un commentaire