ActualitésTsidika

Alasora : Mila hajaina ireo ora fanariana fako sy ny toerana voatokana amin’izany

Nitondra fanentanana ho an’ireo mponina, indrindra ireo mpivarotra, eny amin’ny tsena Ankadindratombo, ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina Alasora, tamin’ny alarobia teo. Anisan’ny toerana lasibatra amin’ny fanarian’ny olona eny an-toerana ny fako, ao ambanin’ny tetezana, kanefa tsy toerana voatokana amin’izany, araka ny voalaza.

« Entitra ny kaominina amin’ny fanentanana ny mponina amin’ny resaka fako satria anisan’ny tena manimba ary manome endrika ratsy ny tanàna ny fako. Ho an’ny eto amin’ny tsena Ankadindratombo ity, amin’ny 6 ora ka hatramin’ny 7 Ora hariva no fanariana fako ao anaty fiara fitaterana fako (camion) ny Kaominina fa tsy ao ambany tetezana. Mila tsinjovina ihany koa fa mbola misy station an’ny Jirama ao ambany ao ary ity no vavahady miditra ny kaominina, tokony hadio » hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

« Mila fanaraha-maso raha io resaka fako eto amin’ny tetezana io. Maro loatra ireo mpivarotra no tsy manaja ny fahadiovana ka sahy manary fako eo na amin’ny andro atoandro, misy aza manipy izany amin’ny ranon’Ikopa mihitsy. Ka tokony entananina samy ho tomponandraikitra ny tsirairay satria manaratsy endrika ny tanàna ny fisian’ny fako be ao ambany tetezana » hoy i Mino, tompona tsenam-barotra.

Manao ezaka hatrany ny kaominina amin’ny fanentanana momba ny fahadiovana sy fandaminana ny fako ao an-toerana. Anisan’ny miteraka olana maro tokoa ny tsy fahafehezana ny fitantanana ny fako. Ilaina araka izany ny fifampitaizana sy fiaraha-mientana mba ho tombotsoan’ny rehetra.

Laisser un commentaire