ActualitésTatitra

Afrique de l’Est : Maasaï, iray amin’ireo foko malaza indrindra aty Afrique

Mponina mpiompy sy mahery fo ary mpifindrafindra monina ao Afrique atsinanana ny Maasaï. Ao amin’ny afovoany sy atsimo andrefan’i Kenya ary avaratr’i Tanzanie no tena ahitana an’izy ireo. Ao anatin’ny vondrom-piarahamonina « nilotique »  ny Maasaï izay nifindra monina niaraka ny biby fiompiny avy any atsimon’i Soudan manodidina ny taonjato faha-15 tany.

Misahana valan-javaboary ho an’ny biby maro ao Afrique atsinanana ny Maasaï, isany antony ahafantaran’ny besinimaro azy any amin’ny firenena tandrefana izany. Mikarakara toerana maro (réserve naturelle) misy biby arovana toy ny « rhinocéros, lions, buffles, éléphants, girafes, gnous, gazelles, zèbres… » izy ireo. Foko mbola mitàna fatratra ny fomban-drazany sy ny kolontsainy kosa ny Maasaï na dia mandray ny fivoarana ara-toekarana, ara-tsosialy ary ara-politika misy aza.

Laisser un commentaire