ActualitésSocialTsidika

Ambohimanambola : Nirosoana ny famindram-pitantanana ny rano eo amin’ny mpitantana teo aloha sy ny kaominina

Roa andro teo no nihato ny famatsiana rano ho an’ny mponina, manerana ny fokontany efatra, dia ny fokontany Gara, Ampahimanga, Tanjonandriana ary Ambohibato, tao amin’ny kaominina Ambohimanambola. Noho ny fahataperan’ny fotoam-pitantanana ny rano teo amin’ny rafitra teo aloha, dia ny kaominina no handray ny fitantanana ny fampisitrahana rano ao anatin’ny fotoana voafetra, araka ny voalaza.

“Ny 31 jolay teo no tapitra ny fifanarahana eo amin’ny mpitantana ny rano (Service eau Ambohimanambola) izay sady tompon’ireo fitaovana famatsian-drano fisotro madio sy fanadiovana ho an’ny daholo be eto an-toerana. Taorian’izay no nanatanterahana ny famindram-pitantanana teo amin’ny tomponandraikitra ka ny kaominina no handray ny fitantanana ao anatin’ny fotoana voafetra entina hanatanterahana ny appel d’offre handraisana ny mpitantana vaovao” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

“Hita ihany ny tandrevaka eo amin’ny fomba fiasan’ny tomponandraikitra ka ny vahoaka no mizioga ny vokany amin’ny fahatapahan’ny rano. Tokony nampiomanina mialoha ny mpanjifa satria efa fantatra fa fe-potoana farany ilay fitantanana ka lasa manapoka ny vahoaka ny tsy fisiana rano” hoy i Fanja, mponina ao Ambohimanambola.

Manoloana izany, mangataka ny hanafainganana ny fitohizan’ny asa ny mponina ao an-toerana ho fitsinjovana azy ireo ary mangataka ihany koa ny fanatsarana izany tolotra izany mba ho araka ny kalitao sy ny vidiny sahaza azy. Marihina moa fa efa naharitra 15 taona teo ny fitantanana ity servisy ity ho an’ireo mpitantana teo aloha.

Manitra R.

Laisser un commentaire