Arivonimamo : Ahiana hisy volkano hipoaka
Nahatorakovitra ny mponina eto Tsiamahabeomby, kaominina Ambohimandry, distrikan’Arivonimamo, nanomboka ny talata tolakandro teo, ny fisiana tany nivohitra tampoka tato anatin’ny fotoana fohy, kanefa dia lemaka hatramin’izay. Volokano miforona ary hipoaka ve ? Sa inona no tena marina? Samy nanontany tena ireo vahoaka manodidina ny 700 isa mipetraka ety amin’ny manodidina sady nivarahontsana. Olona iray no niantso ny ben’ny tanànan’Ambohimandry, Rakotondrasoa Fidèle René, ny talata 20 aprily teo, tamin’ny 4 ora fa mivohitra ilay tany, manana sakany 60 metatra sy lavany 80 metatra. Nihaavo 2 metatra, hoy io olona io, ilay tany. Nikoropaka ny rehetra, hatramin’ny Governoran’ny faritra Itasy sy ny lehiben’ny distrika. Nandray fepetra avy hatrany izy ireo ary nanome baiko ny hialànan’ny mponina hatrany amin’ny 2 na 3 kilaometatra lavitra an’io toerana io. Omaly Alarobia 22 aprily kosa, tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana, ny primatiora sy ny teknisianina manam-pahaizana manokana amin’ny “sismologie” avy ao amin’ny Institut et Observatoire de Géophysique d’Antananarivo (IOGA). Ary nilaza i Dr Andry Ramanantsoa avy ao amin’ny IOGA fa tsy atahorana hisy fipoahana ato ho ato, tsy araka ny ahiahin’ny mponina. Tsy tranga nisy tany an-toerana mihitsy ny toy izao ary tena mahagaga sy mampatahotra ny mponina tokoa. Eo an-dalam-pikarohana ny tena anton’izao ireo manam-pahaizana ankehitriny.
Nicole Rafalimananjara
