Maurice : Fanaovam-baksiny fanefitry ny gripa
Natomboka anio alakamisy 22 aprily ny fanaovam-baksiny ho fiarovana amin’ny gripa natao tamin’ireo olondehibe mihoatra ny 60 Taona. Ny Minisiteran’ny filaminana sosialy no nandray an-tanana izany raha toa ka ny Minisiteran’ny Fahasalamana no niandraikitra izany tamin’ny taon-dasa. Ho zaraina roa ny fandaharam-potoana tamin’ity fanaovam-baksiny ity ka ny dingana voalohany hatomboka ny Alakmisy 22 aprily ka hatramin’ny 1 may. Ho ampitaina amin’ny andro manaraka kosa ny andiany faharoa amin’izany. Any Beau-Bassin, Rose-Hill ary Grand-Bois no hanantanterahana ny andiany voalohany ary mandritra ny telo andro izany, fa kosa any Triolet, Port-Louis, Goodlands, Flacq, Bel-Air-Riviere-Seche, Floreal, Bambous ary Mahebourg kosa ny mandrapahatonga ny 1 may, hoy ny avy ao amin’ny Minisitera. Ary mitondra karatra manamarina fa nahavita vaksiny hiarovana amin’ny Covid-19 izay nahavita ity vaksiny ity.
