SocialTsidika

Anjozorobe : Maty notifirin’ny dahalo ilay talen-tsekoly

Mirongatra izay tsy izy ny resaka tsy fandrim-pahalemana any amin’ny Distrikan’Anjozorobe indrindra fa any amin’ny faritra andrefan’ny renivohitry ny Distrika. Tsy hoe ny mpitandro filaminana no tsy misy fa ny olon-dratsy no sady haingana amin’ny asany no be fitaovana am-pelatanana. Androany zoma 23 Avrily maraina izao, maty notifirin’ny jiolahy ny raim-pianakaviana 43 taona no sady Talen’ny CEG Ambatomanoina. Misaona tanteraka araka izany ny fianakaviamben’ny CISCO Anjozorobe. Tokony ho tamin’ny efatra sy sasany maraina teo no tonga nanafika tao an-tranon’ity mpiasam-panjakana ity ireto olon-dratsy fitolahy izay nirongo basy sy fitaovam-piadiana hafa. Nanao amboletra tao amin’ity tokantrano tao Antsahavola Anosikely ary nanontany avy hatrany ny toerana misy ny vola. Niezaka nanohitra ity talen-tsekoly ity ary tsy nisalasala nitifitra ireto olon-dratsy tamin’ny bala maromaro. Azon’ireto jiolahy ny notadiaviny izay vola manodidina ny efatra tapitrisa Ariary dia iny izy ireo fa vaky nandositra. Nohezahina nampilazaina ny zandary ary nentina namonjy fitsaboana malaky ny naratra saingy tsy tana ny ainy. Mitohy araka izany ny fanadihadihana amin’ity raharaha fanafihana miampy vonon’olona ity. Saro-pady ny vola ary tena fakam-panahy ho an’ny sasany, koa mitandrema ary raha azo atao ary aza tia mitahiry volabe ao an-trano mba tsy hisinton-kevitra ny mpangalatra. Aza mitoky sy milaza amin’ny olona loatra ny vola ao aminao mba hisorohana ny ratsy toy izao. Raha araka ity tranga ity manko, ankevitry ny efa fatapatatr’ireto jiolahy ireto ny zava-misy ao an-trano ka izany no tena antony. Tsy ho foana ny ratsy raha tsy samy miezaka sy mitandrina ary mifanampy ny vahoaka sy ny mpitandro filaminana.

Laisser un commentaire