Jirama : Manentana ny mpanjifa hahay hifehy ny fandaniany
Orinasa-panjakana manohy ary manamafy ny asany andavanandro ny Jirama. Izy ireo no anisan’ny manentana ny mpanjifa ao aminy mba hampihenana ny fanjifana ny herinaratra sy ireo tolotra ao aminy. Nandritra ny taona nifandimby, miezaka manamora sy manatsara ny fomba fiasany hatrany izy ireo. Anisan’ny fanentanana ataon’izy ireo ankehitriny ny handanjalanjana ny fanjifana ny angovo, tanjon’izy ireo amin’izany ny hampihenana ny vidin-jiro sy ny fampiasana ny herin’aratra ho an’ny rehetra. Io antony io izay mampitaraina ny olona ankehitriny, tsy misy tsy milaza ny fiakaran’izany avokoa ny mpanjifa. Manoloana ireo fitarainana ireo indrindra no hanaovan’izy ireo izao fanentanana izao. Raha ny fanadihadihana nataon’ny jirama mantsy, tsy tokony hihoatra ny 130 KWH isam-bolana ny fandanian’ny mpanjifa tsotra iray, raha toa ka 300 KWH isam-bolana ny fandanian’ny mpanjifa lehibe iray. Ny fihoharana amin’ireo fefy ireo no mahatonga fidanganan’ny vidin-jiro ambony loatra na ho an’ireo mpanjifa ireo na ho an’ny rehetra. Ansian’ny vahaholana entin’ny Jirama ny fampiasana ireo takamoa tsy dia mandany angovo loatra, izay manazava kokoa raha miohatra amin’ireo takamoa fampiasa hatramin’izay. Anisan’izany ireo izay mandeha amin’ny herin’ny masoandro na antsoina ihany koa hoe “Led”. Manana tanjaka hatrany amin’ny 75 ka hatramin’ny 100 W ireo takamoa fampiasa hatramin’izay, 500 ka hatramin’ny 1 000 ar ny vidiny ankehitriny. Tsikaritra anefa fa io no fahefa-mividin’ny ankabeazan’ny mponina ankehitriny. Raha ho an’ireo takamoa mandeha amin’ny herin’ny masoandro anefa, tanjaka hatrany amin’ny 20 W no entiny, ary maharitra hatrany amin’ny 5 ka hatramin’ny 10 taona nohon’ny takamoa hafa izy ireo. Manomboka amin’ny 3 000 ka hatramin’ny 15 000 ariary anefa ny vidin’izy io ka tsy mahatonga ny olona tsy sahy mividy azy. Hita anefa fa mitondra fitsitsiana sy manamora ny fandaniana kokoa izy ireny. Tombontsoa azon’ny mpanjifa hoy ny jirama ny fihenan’ny vidin’ny faktiora isam-bolana.
Fanilo Rarivoarilala
