Ampahafantarina ny vahoaka isan-kerin’andro ny vidim-panafody eny amin’ny farmasia
Niteraka resa-be ny tsy fisian’ny fanafody sy ny fiakaran’ny vidiny manerana ny toeram-pivarotana tato ho ato. Mitaraina vokatr’io ihany koa ny vahoaka Malagasy, hatramin’ireo fanafody ho an’ny marary hafa ihany koa aza nahitana izany fiakarana sy tsy fisiana izany. Nilaza anefa ny eo anivon’ny fikambanan’ny farmasia fa noho io antony tsy fisiana io, hatrany amin’ireo tobim-panafody, dia voatery mampiakatra ny vidin’izany ihany koa izy ireo. Vao tsy ela akory izay no nisy tamin’ireo tobim-panafody eto andrenivohitra no voatery nakatona noho ny fisian’ny fananararaotana ataon’izy ireo. Ny fanjakana ihany koa etsy ankilany efa iaraha-malala fa tsy handefitra amin’ny fanararaotana eo amin’izany. Vokany, maro ireo mitototo mitety ireo toeram-pivarotana fanafody fa tsy mahita izay tadiavina na ho an’ny mararin’ny coronavirus izany na ho an’ny mararin’ny arerina hafa. Noho ireo fitarainana maro samihafa ireo no nandraisan’ny fitondram-panjakana fepetra ny mahakasika ity resaka fanafody ity. Eto amin’ny faritra Analamanga, izay tena voalohany ahitana izany no hanombohana izany fepetra izany. Voalohany amin’izany ny famehezana ireo vidin’ny fanafody miady amin’ny covid-19 eny amin’ireo faramsia rehetra. Faharoa manaraka izany, holazaina isan-kerin’andro amin’ny alalan’ny fampahafantarana ataon’ny minisitera isan-tsokajiny ny vidim-panafody eny amin’ireo toerana ireo mandritra izany. Miara-misalahy amin’izao fanapahan-kevitra izao ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka sy ny indositria sy ny varotra ary asan-tanana. Tanjona mandritra izany ny ady amin’ireo mpananararaotra ireo vidim-panafody. Voakasika amin’ireo fepetra ireo ny fanafody : Lovenox, Azithromycine, Uvimag, Magné B6, Revitalose, Vitamine. Azon’ny rehetra atao ny mijery izany amin’ny alalan’ny peta-drindrina eny amin’ireo toerana voakasik’izany.
Fanilo Rarivoarilala
