Anatihazo Isotry: Nisitraka fizaham-pahasalamana manokana « consultation spécialiséees » ireo mponina
Nanatanteraka fizaham-pahasalamana manokana “consultation spécialisées » maimaimpoana eny amin’ny Anatihazo Isotry ny “bataillon Médicale” avy ao Ampahibe. Tetik’asa izay mirafitra eo amin’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena izany. Nanomboka ny alatsinainy 02 oktobra teo izany ary mifarana anio alarobia 04 oktobra. Fanohizana ny toromarika nomen’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena ny amin’ny fampivelarana ny « action civilo-militaire » izany; izay isan’ireo fanamby goavana izay tratrarin’ny ministera moa izany, araka ny voalaza.
“Anisan’ny nisantatra izany ireo mpianatra ao amin’ny sekoly eny an-toerana. Fizahana sy fitiliana maro no atao mandritran’ny hetsika toy ny “cardiologie”, ny “pneumologie”, ny“pediatrie”, ny “chirurgie generale” , ny “O.R.L”, misy “test glicémie” ihany koa. Misy koa ny fizarana borosy nify sy “dentifrice” maimaimpoana ho an’ireo nijery ativava” hoy ny avy amin’ny ministeran’ny Fiarovam-pirenena.
“Miara-misalahy amin’ny fanatanterahana ity hetsika ity izahay eto amin’ny Ekar Anatihazo Isotry. Maro ireo olona tra-pahasahiranana, na ireo tafiditra ao anatin’ny sokajy marefo eny amin’ny faritra vambany tanàna no mila fanohanana sy hanatanterahana hetika lehibe toa izao” hoy i Voahangy tomponandraikitra ao an-toerana.
Marihina moa fa mitentina any amin’ny 200.000 Ariary ny saran’ny fitiliana mikasika ny “cardiologie” miaraka amin’ny “echocardiaque” izay atao maimaim-poana mandritra izao hetsika izao. Araka izany, manohana sy manampy ireo tsy manana fahefa-mividy amin’ny fanaovana ireo karazana fitiliana ireo no tanjona; ezaka atao hanakaikaizana ny vahoaka.
Sitraka R
