Toliara II: Olona efatra namoy ny ainy, 12 manaraka fitsaboana noho ny fihinana hazan-drano misy poizina
04 Oktobra, Olona miisa efatra no fantatra fa namoy ny ainy tany Tsianisiha ary miisa 12 kosa no manaraka fitsaboana, vokatry ny fihinana vokatra an-dranomasina, tao amin’ny distrika Toliara II. Tondro namidy tao an-toerana ny herinandro lasa teo no nitarika ny loza. Araka ny fitsirahana nataon’ny avy amin’ny fitaleavam-paritry ny jono sy ny toe-karena manga ireo marary sy ny fizahana ireo trondro dia nahitana Fiandolo na Gogo ireo trondro nohanin’ny olona. Raha ny tombana nataon’ireo teknisianina tany an-toerana kosa dia ny “losoloso” na ny fisian’ireo tsilo misy poizina no nahafaty ireo olona. Mbola miandry ny valin’ny fitiliana amin’izao fotoana ny tomponandraikitra.
