SocialTatitra

La Réunion : Hiakatra 11% ny vidin’ny hajia manomboka ny taona 2024

.

Manomboka ny 1 janoray 2024 izao dia hiakatra 11% ny vidin’ny hajia ao amin’ny nosy La Réunion. Miakatra eo amin’ny 1,16 hatramin’ny 1,29 Euro eo noho izany ny vidiny. Ho an’ny olona maromaro dia tsy misy fiantraikany betsaka amin’ny an-davanandron’izy ireo izany fiakarana izany manoloana ny fivoaran’ny teknolojia.

Fiakaram-bidy toy ny fiakarana rehetra ihany izany raha ny voalazan’izy ireo tao amin’ny LinfoRe. Efa vitsy rahateo hoy izy ireo ny mpampiasa ny hajia sy ny valopy ka tsy mahakasika firy azy ireo izany. Manoloana izay fironan’ny mponina amin’ny eletronika izay indindra no antony nampiakaran’ny paositra ny sandan’ny hajia raha ny fanazavana mba hiantohana ny faharetan’ny tolotry ny paositra.

Laisser un commentaire