Kolontsaina : Navoaka ho fanamarihana ny faha 100 taonan’i Rado ny boky “Hiram-bavaka”
04 Oktobra, Navoaka tamin’ny fomba ofisialy omaly, 03 oktobra ny boky nosoratan’i Georges Andriamanantena (Rado) mitondra ny loha-teny “Hiram-bavaka”, izay nosoratany nanomboka ny taona 1949 ka hatramin’ny taona 2005. Ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina no nanonta izany boky izany ho fanamarihana ny fankalazana ny faha 100 taona an’i Rado. Mirakitra hira miisa 16 ity boky ity ary ahitana takelaka miisa 84. Hita ao anatin’ny boky ny fanolorana ireo hira, izay maneho ny fanazavan-dRado ny antony namoronany ireo hira, tononkira, Solfa (ho an’ny mpihira) ary Solfège (ho an’ny mpitendry).
