Mpanala bacc maty
10 Aogositra, 09h06. Tovolahy iray 20 taona, tokony hanala fanadinana bakalorea, tao amin’ny fari-piadidiam-pampianarana ao Antsohihy, no nindaosin’ny fahafatesana ny 9 aogositra lasa teo. Tsy tonga tany amin’ny toeram-panadinana akory izy no sempotra raha ny fanazavana. Araka ny filazan’ny mpitsabo dia nisy otrikaretina niparitaka tao anatin’ny vatany izay niteraka fahasemporana, noraisin’ny solontem-panjakana ny fanaterana ny razana tany amin’ny kaominina Antsahabe Distrikan’Antsohihy izay fihavian’ity tanora mpianatra ity.
