France : Manjaka amin’ny andavan’andron’ny mponina ny « pass sanitiare »
Nitarina nanomboka ny alatsinainy teo ny fampiasana ny “pass sanitaire” ao France. Manomboka izao dia mila izany avokoa ny ankahamaroan’ireo toerana, toy ny toeram-pisotroana sy fisakafoana, toerana fijerena horonan-tsarimihetsika, ny hopitaly ary ireo fitateram-bahoaka rehetra.
Mihatra hatramin’ny volana novambra izao io fepetra vaovao io. Fanampahan-kevitra efa tapaky ny filàn-kevi-panjakana sy filàn-kevitra momba ny lalàm-panorenana izany ary efa mihatra na dia maro aza ny manohitra izany ao an-toerana.
