ActualitésTsidika

Anjeva: Fandaharam-potoana amin’ireo lalao amin’ny faran’ny herinandro

Mitohy hatrany ny fandaharan-dalao amin’ny “tournoi open 2023”, ao amin’ny kaominina Anjeva Gara. Efa nivoaka manaraka izany ihany koa ny fandaharam-potoana amin’ireo lalao mandritra ny faran’ny herinandro, izay atao ao amin’ny kianja Salazana hatrany.

“Amin’ny 10 ora maraina, amin’ny 01 ora tolakandro ary amin’ny 03 ora no fotoana hifanomezana amin’ireo lalao baolina kitra. Marihina fa handray anjara amin’ireo lalao ireo, ireo klioba sy ekipa avy any ivelany ary entanina mba samy hanaja ny ora voatondro avokoa ny rehetra” hoy ny avy amin’ireo mpikarakara.

“Ilaina ny filaminana amin’ny fanatanterahana ny lalao tahaka izao. Anisan’ny efa hita taratra ny fivaoaran’ity taranja ity eto an-toerana ka izay fandaminana izay no tokony hanaovan’ny tomponandraikitra ezaka, mampatsara ny lalao ihany koa izany” hoy i Tsilavina, mpitia baolina kitra.

Miisa 12 moa ireo klioba hilalao mandritra ity open ity. Tsiahivina fa tamin’ny 02 jolay teo no nanatanterahana ny lalao teo amin’ny Poule B. Ny Interpool nandresy ny MFCM tamin’ny isa 4 noho 1 tamin’izany, Antsaniony nandresy an’ny Etoile Sport (2-1) ary Tiko nandresy ny Tafita tamin’ny isa 3 no 1.

Manitra R.

Laisser un commentaire