Comores : Mbola tsy tratra ny tetibola hiatrehan’ny nosy ny fiadiana ho tompondaka eran-tany ny « pétanque »
Mpifaninana enina no hisolo-tena an’i Comores amin’ny fiadiana ho tompondaka eran-tany ny « pétanque » izay hotontosaina ao Cotounou ao Bénin ny 7 hatramin’ny 17 septambra izao. Raha ny tombatomban’ny federasionan’io taranja io nefa dia 6 tapitrisa Francs no tetibola ilaina ao anatin’izany. Vola izay mbola tsy misy eo am-pelatanana.
Manahirana ny federasiona ao an-toerana ny manangona io vola io. Manoloana izany dia nanao antso avo tamin’ny ministera mpanara-maso sy mpiara-miombon’antoka samihafa izy ireo saingy mbola tsy tratra ny tanjona volana vitsivitsy alohan’ny fifaninanana. Marihana fa tsy afaka handray anjara amin’ny lalao ny nosy raha tsy voahangona io vola io hoy ny filohan’ny Apn (Antenne de pétanque de Ngazidja).
