ActualitésTsidika

Nahazo fitaovana ny CHUMET Tsaralalàna

Anisan’ny laharam- ny fanatsarana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ary satria zo an’izy ireo feno izany. Manao tohi-vakana ireo mpiara-miombonantoka manome tanana amin’ny fanatanterahana izany raha ny eto Madagasikara hoy ny avy ao amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Anisan’izy ireny ny « rotary club international » izay nanolotra farafara sy « potence » miisa 60, concentrateur d’oxygène miisa 10, fandanjana, sns…izay mitentina Ar 255 tapitrisa ho an’ny CHUMET Tsaralalana ny talata 29 Jona lasa teo.

Ny  Talen’ny Kabinetran’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, Pr Rakotomalala Dave Patrick, sy ny  Talen’ny CHUMET Tsaralalana, Prof. Annick Robinson no nandray ara-pomba ofisialy ny fanolorana ireo fitaovana ireo tao amin’ny efitrano Pavillon 4 izay nametrahana ny santionan’ireo fitaovana. Nankasitraka izao fanampiana izao ny mpiasa rehetra tao amin’n CHUMET Tsaralalana satria mitsinjo  ny fahasalamam-bahoaka hoy ny solontenan’izy ireo nandritra izany. Na izany aza anefa ilaina hatrany ho an’ireo izay mampiasa azy ireny hahay hikolo sy hikarakara ho an’ny tombotsoa iombonana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire