ActualitésTsidika

Ambohimanga Rova : Hiverina amin’ny laonina tsikelikely ny famatsiana herinanatra

Niteraka fanelingelenana ho an’ny mponina ao amin’ny fokontany Anjazamarolahy, kaominina Ambohimanga rova, ny tsy fisian’ny herinaratra tao an-toerana, ny faran’ny herinandro teo. Nisy ny fanambaorana ny andrin-jiro simba, nanampy trotraka ny fahatapahan-jiro, izay efa fiainan’ny mponina tato ho ato, araka ny voalaza.

« Ao anatin’ny ezaka fanarenana ataon’ny jirama dia niasa tsy an-kiato ireo teknisiana nanarina ny fahavoazana izay mahatonga fahatapahan-jiro toa ny teo Anjazamarolahy, izay nahitana andrin-jiro nidaraboka ka nahatapaka ny herinaratra » hoy ny avy amin’ny Jirama.

« Efa ela ihany no nanaovana fampandrenesana ny mahakasika iny fahatapahana andrin-jiro io. Tsy tokony hiandry ela ny tomponandraikitra vao mandray fepetra satria ankoatra ny delestazy dia manampy trotraka ny fahavoazana ny fahasimbana sy ny faharetan’ny fanamboarana tahaka izao » hoy i Mihaja, mponina ao Ambohimanga Rova.

Olana hiainan’ny Malagasy amin’izao fotoana ny fahatapahan-jiro lavareny. Ankoatra izay anefa, mbola misy ihany koa ireo olana samy hafa eny ifotony, tahaka ny fahatapahana andrin-jiro. Mangataka ny hijerena vahaolana maharitra moa ny mponina, avy amin’ny tomponandraikim-panjakana manoloana izany moa ny mponina.

Manitra R.

Laisser un commentaire