ActualitésTsidika

Vonjy voina : Nahazo fitaovana maro samihafa

Nahazo fitaovana maro samihafa ny vondrona Vonjy voina. Ny Talen’ny fiaraha-miasa amin’ny fiarovana sy fandriam-pahalemana no nanolotra izany.

Ny Minisiteran’ny Eoropa sy Raharaham-bahiny Frantsay no nanolotra ireto fitaovana ireto homena ny vondrona Vonjy voina. Miha-mafay hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny Eoropa sy i Madagasikara » hoy ny Talen’ny fiaraha-miasa amin’ny fiarovana sy ny fandriam-pahalemana, ny Jeneraly Thierry Marchand. « Mankasitraka indrindra amin’izao fiaraha-miasa izao izahay. An-kafaliana tokoa no handraisana izany » hoy ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, ny Amiraly Ranaivoseho Antoine de Padoue.

Fiara miisa 06 izay ahitana fiara famonoana afo sy fiara fitondrana maratra izany fanampiana izany. Eo ihany koa ny fandriana, solosaina miampy fitaovana ara-kajy mirindra.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire