ActualitésTsidika

Ambatomanohina : Toerana nahaterahan’ireo mpanjaka

Toerana manan-tantara tokoa ny Rova Ambatomanohina. Hita ao ny trano nahaterahan’ny Mpanjaka Ranavalona I sy II, i Radama II ary i Rasoherina.

« Toerana tena manana ny lazany tokoa izy ity. Fahatsiarovana ireo tantara nisy taloha, indrindra ho an’ireo andriana nanjaka teto Merina » hoy i Edmond, raim-pianakaviana monina eny amin’ny manodidina. « Mila fiarovana sy fanatsarana ny toerana masina toy itony. Betsaka ireo manao tsinotsinona izany ka manimba ny manodidina azy. Mila fanaraha-maso ihany koa » hoy Lanto, mpitsidika ny toerana.

Tsara raha hatsaraina sy arovana tokoa ny toerana manan-kasina tahaka izao ho lasa vakoka ary hisintonana ireo mpizaha tany.

Laisser un commentaire