Tsikafokafona: Tsy tsara ho an’ny fahasalamana
Tsy zavamaniry nisy teto Madagasikara sy Afrika ny tsikafokafona. Nentin’ireo mpanjanantany avy any Amerika Atsimo izy. Matanjaka ary haingam-paniry hatramin’ny 2 na 5m isan’andro izy. Maniry vokatry ny loto sy ny zezika simika isan-karazany izy.
Manakana ny tara-masoandro tsy ho tafiditra ao anaty rano izy hany ka mampihena ny oxygène sy ny photosynthèse izany. Raha ny fikarohana nataon’ireo manam-pahaizana dia manempotra sy mamono ireo zava-boahary manodidina izy. Manaratsy ny tontolo hiainana sy ny biby toy ny vorona ihany koa izy. Mitondra aretina toy ny paludisme, bilharziose, malaria, raha ny fikarohana natao hatrany. Mandoto ireo rano sasany izay sotroin’ny olona ny tsikafokafona.
Azo atao tsara kosa ny manodina azy ho lasa tao-zavatra izay lasa harona kely na satroka. Tsy vitsy tokoa ireo mampiasa azy.
Nicole Rafalimananjara
