ActualitésTsidika

Anjeva : Handalo eny amin’ny kaominina Anjeva ny ekipan’ny CNAPS Ambomiandra

Handalo eny amin’ny kaominina Anjeva ny ekipan’ny Cnaps Ambomiandra ny alakamisy 01 septambra 2022. Handray ireo antontan-taratasy rehetra izay tokony aterina eny amin’ny biraon’ny cnaps, ny « certificate de vie », ny « certificat de scolaire » ho an’ny taom-pianarana vaovao 2022-2023 ary ihany koa hamaly ireo fanontaniana izay manitikitika ireo mponina no anton’izany fitsidihana izany.

« Sarotra tokoa ny ahazoana valiny mahakasika ireo fanontaniana maro izay manitikitika ka hirariana mihintsy ny hisiany fitsidihana izay ataon’ireo tompon’andraikitra eny anivon’ny cnaps tahaka izao » hoy Sitraka mponina eny Anjeva. « Maro tokoa ireo mponina eny ambanivohitra no mila ny fanampiana izay raiketin’ny cnaps nefa tsy afaka ny anontany ireo izay tiany ho fantatra mivantana akory eny amin’ny birao ka isaorana ireo tompon’andraikitra mikarakara ity hetsika ity » hoy ireo mpiandraikitra eny anivon’ny kaominina. « Ny serasera no fototry ny fandrosoana, ary ny fifampiresahana eo amin’ny CNaPS sy ny vahoaka no hiaingan’ny serasera satria tsy misy ny ita miampita raha tsy misy ny fifampiresahana ka tsara hatrany ny fitsidihana hatao tahaka izao » hoy Tsiry mpisehetra ao anatin’ny tontolon’ny serasera.

Hasaina ireo rehetra izay liana mba ho tonga hanatrika izany fitsidihana izany.

Famenontsoa Rajerison

Laisser un commentaire