Dépêches

Alaotra Mangoro : Noesorina tamin’ny toerany ny governoran’ny faritra

01 Septambra, 12h00, Noesorina tamin’ny  toerana maha governoran’ny faritra Alaotra Mangoro azy Ramandehamanana Richard. Tapaka izany nandritra ny filan-kevitry ny minisitra natao omaly hariva. Nofoanana ny didy fanendrena azy ho governoran’ny faritra alaotra mangoro. Ny raharaha mahasaringotra azy mahakasika « Ille et Villaine » no heverina ho anton’izany fanesorana azy izany. Misy hifandraisany lehibe amin’ny fiarin-karena ao amin’ny faritra izao raharaha izao noho ny fandraharahana « Ille et Villaine » miara-miombonantoka amin’ny faritra Alaotra Mangoro.

Laisser un commentaire