Fandraisana an-tanana ireo mararin’ny Pesta any Arivonimamo
08 Septambra, 10h00. Hapetraka ny sakana ara-pahasalamana, eo amin’ny toerana manasaraka ny faritra Itasy amin’ Analamanga, Bongolava ary Vakinankaratra ho fisorohana ny fiparitahan’ny pesta. Noraisin ‘ny Institut Pasteur de Madagascar an-tànana ny marary ary nozahana daholo ireo olona nifanerasera tamin’izy ireo. Nofendrahana ranom-panafody avokoa ny toeram-ponenan »izy ireo.
