Miara-miasa ho an’ny tontolo iainana ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny Zandary
08 Septambra, 09h20. Miara-mientana miady amin’ny doro tanety sy ny fanimbana tontolo iainana ny Zandarimaria sy ny DREDD any Vakinakaratra. Tao amin’ny kaominina Manapa Distrikan’i Betafo no nanaovan’ny ekipan’ny DREDD-Vakinankaratra fanentanana. Ary ny zandary dia miara-dalana amin’izy ireo hatrany amin’ny ady iraisana.
