ActualitésTsidika

Hamehana ara-pahasalamana: fanajana ny fepetra no antoka tsy hiverenena amin’izany

Na dia teo aza ny fampitsaharana ny hamehana ara-pahasalamana dia tokony tohizan’ny tompon’andraikitra hatrany ny fanarahamaso sy fanentanana ireo mponina manoloana ny fanajana ny fepetra sy fitsipika rehetra.Ny hamehana ara-pahasalamana no tapitra fa ny ady amin’ny valan’aretina dia mbola mitohy hatrany.Tafiditra anatin’iaby ady izany moa ny fampianarana ireo vahoaka Malagasy iara-iaina amin’ity aretina ity. Mbola mitoetra arak’izany ny fampiarana ny fihetsika sakana; toy ny fanasana tanana matetika amin’ny rano sy savony na ny « gel hydroalcolique », ny fanajana ny elanelana iray metatra, fanaovana ny aro vava-orona.Mety efa lasa fahazarana ho an’ny vahoaka ny fanaovana aro vava-orona, fa ny hany sisa tokony ho jerena dia ny hoe voahaja ve ny fahadiovany.

Haingotiana Andriamihaja

Laisser un commentaire