ActualitésTsidika

Lehilahy mpitarika posy maty tsy tra-drano

Efa matetika loatra tamin’ity taona ity ny lozam-pifamoivoizana amin’ny By Pass iny. Manana laza ratsy amin’ny firimoriavan’ny fiara mihitsy ity lalana ity hoy ny mpivarotra iray nanamorona ny arabe in. Ny alatsinainy 12 Jolay lasa teo izao dia nitranagana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina indray tany an-toerana. Rangahy mpitarika posy iray no nodomin’ny fiara teo amin’ny làlana Ankadimbahoaka mihazo Alasora.

Maty tsy tra-drano avy hatrany ilay voadona tokony ho tamin’ny 4ora folakandro teo hoy ny mpitandro filaminana. Tsy vao voalohany ny loza miseho any an-toerana tahaka izao fa efa in-betsaka ary efa ain’olona maro mihitsy no nafoy teny. Koa ilaina ny mba hanajan’ny mpampiasa lalana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana na izany aza anefa isika mpandeha ihany koa dia mila mijery tsara izay tandrifin’ny tongotra mba hisorohana ny loza mety hitranga. Ampitomboina hatrany ny fanamafisana atao amin’ny fampiasana lalana hoy ny Polisim-pirenena.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire