Toetr’andro : Tena ilaina eto amin’ny firenena ny sampan-draharaha misahana ny famantarana ny toetr’andro
Nijery ifotony ny sampan-draharaha misahana ny famatarana ny toetr’andro ny Ministeran’ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro. Nankahery ireo mpiara-miasa rehetra tsy mandry andro tsy mandry alina main’izao vanim-potoanan’ny rotsak’orana sy ny rivo-doza izao izy ireo.
« Zava-dehibe ny asa iandraiketan’ny mpiasa eo anivon’ny sampan-draharaha misahana ny famatarana ny toetr’andro. Rariny raha ankeherezina sy ankasitrahana izy ireo » hoy ny Ministry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Tinoka Roberto. « Manome vaovao mahakasika ny vinavinan’ny toetry ny andro ho an’ireo tompon’andraikitra rehetra isan-tsokajiny sy ho an’ny vahoaka Malagasy manontolo manerana ny nosy no tena andraikitra lehibe » hoy ny avy ao amin’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro.
« Tena ilaina tokoa ny mamantatra ny vinan’ny toetr’andro alohan’ny hivoahana ny trano. Manana anjara toerana lehibe ireo sampan-draharaha misahana ny famantarana ny toetr’andro. Ambara fa vinavina ihany izany kanefa tena tsy misy diso mihitsy izay vinavina navoaka » hoy i Hélène, renim-pianakaviana monina ao Ampandrianomby. Manana anjara asa lehibe amin’ny fampandrosoana ny firenena noho izany ny famantarana ny toetr’andro.
Nicole Rafalimananjara
