ActualitésTatitra

Etats-Unis : Olona iray indray no maty voatifitry ny basy

Vao taorian’ny fifampitifirana tao amin’ny Campus iray tao Michigan ny 13 febroary teo ny filohan’i Amérique, Joe Biden no nangataka tamin’ny kongresy hiady amin’ny fananam-basy sy ny onjan’herisetra mitam-piadiana ao Etats-Unis. Ny alarobia 15 febroary teo nefa dia efa olona iray indray no maty noho izany fifampitifirana izany tao Texas.

Tao amin’ny tranom-barotra Celo Vista d’El Paso no niseho ny tranga, lehilahy iray no fantatra fa nitarika ny fitifirana. Olona iray no maty vokatr’izany raha ny tatitry ny manam-pahefana ary olona telo kosa no naratra. Efa voasambotra moa io lehilahy nahavanon-doza io ary efa misokatra ny fanadihadiana raha manana mpiray tsikombakomba izy.

Marihana fa isany toerana ahitana trangana fifampitifirana betsaka indrindra ao Etats-Unis i Texas. Tranga anisany nanamarika indrindra tao an-toerana noho izany ny fahafatesana zaza 19 isa sy mpampianatra roa ny taona lasa teo ary ny nahafatesana olona 23 taona El Paso ny 3 aogositra 2019.

Laisser un commentaire