Manandriana : Hisy ny fandrodanana ireo trano ahiana hitera-doza
Hisy ny fandrodanana ireo trano ahiana hitera-doza ao amin’ny Koaminina Mandriana. Miantso ireo manana trano tsy misy mipetraka intsony sy ny tsy voakarakara ny avy ao amin’ny kaominina.
« Ilazana izay manana trano efa tsy misy mipetraka sy tsy voakarakara intsony eto amin’ny Kaominina Manandriana mba hanatona ny kaominina. Hisy ny fandrodanana izay ho atao raha toa ka ahiana hitera-doza izany » hoy ny avy ao amin’ny Koaminina.
« Betsaka mihitsy ny trano tsy misy mipetraka mety hitera-doza eto Manandriana. Tsara ny fanapahan-kevitra satria aleo misoroka toy izay mitsabo » hoy i Veronique, mponina ao Manandriana. « Betsaka ny fanapahan-kevitra tokony natao hisorohana izao loza rehetra izao. Mbola tsy tara anefa isika raha hanarina izany mba tsy hisian’ny loza manaraka » hoy i Tojo, manam-pahaizana mikasika ny asa vaventy. Aleo tokoa misoroka ny loza hatrany. Tsara ny malina foana eo amin’ny fiainana. Tompon’andraikitra amin’izany ny rehetra.
Nicole Rafalimananjara
