Ankadikely Ilafy : Nahazo fanafody ny EPP Antsahamarofoza
Nahazo fanafody manokana isan-karazany entina manao ny fitsaboana voalohany avy amin’ny fikambanana « Inner Wheel Club », miahy ny vehivavy sy ny ankizy, ny EPP Antsahamarofoza. Nanome toky izy ireo fa hisy hatrany ny fitohizan’ny famatsiana ny fanafody ara-potoana ao aorian’izao hetsika izao.
« Tsy ho tapitra hatreo akory ny fanampiana ara-pahasalamana tahaka izao. Mbola hitohy hatrany izany, ary ezahina ny hanomezana ny fanafody ara-potoana » hoy ny avy ao amin’ny « Inner Wheel Club ». « Tena ilaina eto amin’ny sekoly tokoa ny tahaka izao ahafahana miaro sahady ny ankizy mialohan’ny hitondrana azy any amin’ny mpitsabo. Isaorana indrindra ianareo fa manan-jara raha samy sekoly izahay » hoy ny talen-tsekoly ao amin’ny EPP Antsahamarofoza.
Zava-dehibe tokoa ny fandraisana andraikitra voalohany amin’ny fahasalaman’ny ankizy manoloana ny tsy fahasalamana tampoka any am-pianarana. Tokony hanana ny toy izany ny sekoly rehetra.
Toky Randriamanalison
