Rahoviana no hifarana ny disadisa misy eo amin’i Clemence Raharinirina sy ny ben’ny tanàn’Antananarivo ?
Hiakatra fitsarana ny zoma 15 oktobra ho avy izao, amin’ny folo ora maraina ny raharaha nitoriana ny mpanolotsain’ny tanàna Clemence Raharinirina. Hiakatra fitsarana amin’io andro io ihany koa ny fangatahan’ny ben’ny tanàna ny hanesorana ireo mpanolotsaina sivy mianadahy hafa amin’ny toerany, mpanolotsaina miisa valo avy amin’ny antoko poloitika Tiako i madagasikara, ary iray avy amin’ny komity manohana an’i Bàbà na ny Komba.Tsihahivina fa ny 10 septambra lasa teo no tokony niakatra fitsarana ny raharaha saingy nahemotra iray volana aty aoriana indray izany noho ny antony tsy fantatra. Ny 08 oktobra lasa teo indray no tokony niverina ny fitsarana saingy nofoanana indray izany, tsy tonga nanatrika ny fitsarana ny olona voalaza fa nitory, ny ben’ny tanàna Naina Andriatsitohaina izany. Mampatsihahy ny lahateny nataon’ny ben’ny tanàna nandritra ny fihaonany tamin’ireo mpanolotsaina, mahakasika ny olana izay efa nisy teo amin’ny fiara karetsaka ity raharaha ity, « Tsy misy vahaolana hafa ankoatra ny fifampiresahana » hoy ny ben’ny tanàna. Nahoana anefa no tonga eny amin’ny fitsarana ny olana misy eo amin’ny Kaominina sy ny mpiara-miasa aminy ? « Tsy misy olona ambonin’y lalàna izany fa rehefa manao ny tsy mety dia tsy maintsy saziana, mino anefa izahay fa hifarana amizay ity raharaha ity fa lasa mitarazoka loatra » hoy i Nirina, mpianatra. »Misaotra anareo mamerina ao an-tsainay fa olombelona mety tsy tanteraka izahay, mety tsy tonga lafatra araka izay heveritrareo, saingy izahay aloha izao no manana finiavana hanova tantara, dia heveriko fa fampaherezana anay hirosoana ho tombontsoa iombonantsika rehetra no tena ilaina kokoa, na ny tsara indrindra ao aoriana dia ianareo mihitsy no milatsaka an-tsehatra hahatanteraka izay nofinofy heverinareo hahatsara kokoa ity tanindrazantsika ity » hoy i Rafaralahy Lily, mpanolotsain’ny tanàna avy amin’ny antoko Tiako i madagasikara. »Kilalaon’ny ben’ny tanàna mihitsy ny fitsarana, tiany ampisehoana amin’ny vahoaka mihitsy ny fanararaotam-pahefany. Tsy misy intsony ny fifampiresahina amin’ny maha mpiara-miasa fa avy hatrany dia atolotra ny fitsarana ny raharaha » hoy ny mpisolovava iray. « Ny ben’ny tanàna mitory anay noho ny fankahalany fa izahay kosa mitory azy manoloana ny tsy fanarahan-dalàna izay nataony. Mangataka amin’ny fitsarana ny hanesorana ny ben’ny tanàna amin’ny toerany ihany koa ny tenako » hoy i Clemence Raharinirina. Toa mampiharihary amin’ny vahoaka ny tsy fahaizana mamaha ny olana miseho anaty fitantanana ireto olona ambony ireto.Tokony ho fitaratra amin’ny vahoaka manoloana ny fampandrosaona, saingy ny mifanohitra amin’izany ho hita. Dradradradraina maneran-tany ny fikasana hampandroso ny tanàna, ireo mpiara-miasa tokony hiara-hisalahy amin’izany nefa etsy andaniny toa tsy mifanaran-tsaina akory, mifanipaka tanteraka amin’ny tanjona tiana hotratrarina ny asa atao. Mbola azo antenaina ve ny handrosoan’Antananarivo manoloana izao hery mifanohitra izao ?
Haingotiana Andriamihaja
